Angovo azo havaozina
Fiseho

Ny angovo azo havaozina na angovo maitso (hafohezina hoe angovo a.h.) dia loharanon' angovo izay akora voajanahary azo lazaina ho tsy mety ritra mandritry ny fotoam-pianinan' ny olombelona. Ny angovo azo havaozina dia tsy toy ny solika satria tsy mamokatra etona be sy ny loto avy amin' ny setroka toy ny solika fôsily.
Betsaka ny angovo azo havaozina azo ampiasaina: ny angovon' ny masoandro, ny angovon' ny rivotra, angovon' ny rano, angovon-javamananaina. Ny famokarana herinaratra mampiasa angovo azo havaozina izao dia lasa fahita matetika.