Aller au contenu

Memfisy

Avy amin'i Wikipedia
Sisam-paharavan' ny tanànan' i Memfisy: ny andry naorina tamin' ny andron' i Ramsesy II.

I Memfisy dia renivohitr' i Ejipta tamin' ny Andro Taloha izay miorina ao am-tampon' ny Vinanin' i Nily, eo amin' ny 30 km ao atsimon' i Kahira ankehitriny. Amin' ny teny arabo dia atao hoe مَنْف‎ / Manf, ary amin' ny teny grika hoe Μέμφις / Memfis io tanàna io. Hita ao akaikin' ny tanànan' i Mit-Rahineh sy i Helwan, ao atsimon' i Kahira, ny sisam-paharavany.

Tamin' ny taonarivo faha-4 tal. J.K dia nampanamboatra manda fiarovana teo amin' ny toerana iorenan' i Memfisy ny mpanjakan' i Ejipta (izay mety ho i Menesy mpanorina ny dinastia voalohany), izay nantsoina hoe Ineb Hedj ("rindrina fotsy"). Tao no toeram-ponenan' ny faraôna tao amin' ny Empira Voalohany (teo anelanelan' ny taona 2649 sy 2152 tal. J.K.) ka niroborobo io tanàna io nandritra izany vanimpotoana izany. Nanorina ny piramida manodidina an' i Memfisy ny faraôna, ka voaorina tamin' izany ny piramidan' i Sakkarah, ny an' i Meidum, ny an' i Dahshur ary ny an' i Giza.

Tamin' ny fiafaran' ny Empira Voalohany dia nietry voninahitra i Memfisy ka i Tebay indray no lasa renivohitra. Na dia izany aza dia nitana anjara toerana lehibe i Memfisy satria nijanona ho renivohitra ara-pitantanan-draharaham-panjakana sady toeram-ponenana tian' ny faraôna indrindra. Tamin' ny taona 525 tal. J.K. dia nanjary toeram-ponenan' ny solom-panjaka (na strapa) persiana i Memfisy. Tamin' ny andron' ny dinastia ptôlemaika sy tamin' ny vanim-potoan' ny Empira Rômana dia izy no tanàna faharoa tao Ejipta ao aorian' i Aleksandria. Nitontongana ny lazan' i Memfisy tamin' ny taonjato faha-7 taor. J.K. sady natao toeram-pitrandrahana vato hanaovana ny fanorenana ny tanànan' i al-Fustat izay antsoina hoe Kahira ankehitriny.

Teo amin' ny toerana niorenan' i Memfisy no nahitan' ny arkeôlôga ny tempolin' ny andriamanitra Pta sy Isisy ary i Ra, sy sarivongana goavana roa an' i Ramsesy II, sy sfinksa vita amin' ny albastara ary toeram-ponenana maro.