Vatoaratra
Fiseho

Ny vatoaratra dia fitaovana mitahiry sy mamoaka herinaratra amin' ny alalan' ny famadihana ny angovo simika ao aminy ho angovo elektrika amin' ny alalan' ny fiota simika.
I Alessandro Volta, mpahay siansa italiana, no namorona ny vatoaratra tamin' ny taona 1800. Io fitaovana elektrôsimika io dia nahitana lafika metaly samihafa (varahina na fanitso ary volafotsy), voaelanelana amin' ny felan-damba vonton' asidra. Ny venty andrefesana ny angovon-toerana eletrika dia ny volt, izay mampahatsiahy an' i Volta.